Pas encore inscrit ? Creez un Overblog!

Créer mon blog
RANDRANA

RANDRANA

……..,mitahiry ny lasa ,mamoaka ny androany ,mampiseho ny ampitso ,………
Tags associés : boky fianarana

Ses blogs

RANDRANA

……..,mitahiry ny omaly ,mamoaka ny androany ,mampiseho ny ampitso ,………
RANDRANA RANDRANA
Articles : 14
Depuis : 26/08/2008
Categorie : Littérature, BD & Poésie

Articles à découvrir

7- GEOGRAPHIE

7- GEOGRAPHIE

Adray ! adray! izato hevitrareo , Manondro ny lanitra ka mankaleo , Dia te-hirediredy mandany fotoana , Milaza ho lohany ,lohany foana . Jereo tsara ka henoy sy ekeo , Tsisy izy daholo ny teninareo , Izaho no tena mpanj aka ry 'reto a!, Izany ny mar ina ka mba raiketo . Izaho no mpilaza ny toetrin'ny tany , Na avo ,na iva dia fantatro izany , Izaho
10- DICTIONNAIRE

10- DICTIONNAIRE

"Taisez-vous " ....ry lava kabary , "Ne faites pas de bruits" ....mankarary , Asio "frein" re! ny feo sy ny vava , Fandrao voa "frappe" ,ka vilana tàva . Raha izaho Andriana no tsiratsiraina , Tsy omeko ny teniko ,avelako hangaina , Ny teny rehetra "propriété"-ko , Vitako "borne" ka tsy omeko . 'Reo fahaizana maro tononinareo , Dia ananako be ,m
5 -HISTOIRE

5 -HISTOIRE

Mangina ,mangina tsy tiako ho heno Ny foko mivonto ka feno dia feno , Mba dedaka foana mitanisanisa , Kanefa tsingetana , fa tsy adrisa . Mirebika foana ... koa dia ... mba mahay , Mangina ,fa sao dia zerako kitay , Tsy mihevitra akory vao be tafasiry , Tsy tazana angaha t'izaho mankadiry . Izaho " HISTOIRE" no boky andrandraina , Ny fahalalàko ma
3- ARITHMETIQUE

3- ARITHMETIQUE

Tandremo ny vava ry "Giran-dRamera " Mba fidifidio lahy ny vokabilera , Mieritrereta vao mifanebaka . Aza vavàna toa haron-tabebaka . Indro henoy ,fa izaho no mpitarika , "ARITHMETIQUE" mpampianatra marika. Izaho no mpanoro ny kaonty rehetra , Ny "plus" , ny "moins" ,multiples" , etsetra . "Poids et mesures" sy "capacités " , "Tant pour cent " ,
4- LECTURE

4- LECTURE

M angina ny vava fandrao dia voapaika Mba mieritrereta ,fa aza dia maika , Eo ka mibetroka mandrahondrahona , Aoka fa itony no "élèves" - ny sahona . Aza miteny manao sahisahy , Henoy sy fantaro,fa ts'isy hoatr'ahy , Izaho " LECTURE" no ambony indrindra , Ny teny voalahatro tena mirindra . Raiketiko tsara ,ka he! mampitsetra , Ny soratry ny olo-m
11- DROIT (scene III)

11- DROIT (scene III)

Miditra tampoka ny "DROIT" .Mifihifihy daholo ny boky rehetra .......... Assez! assez! Au nom de la loi , je vous arrête , Ry boky madinika be tabataba , Vavàna marivo ,toa vilany saba , Papelika kely ,ka be doka tena , Kanefa tsy hita 'zay hoe : FAHE NDRENA . Henoko teo izato adinareo , Adin'adàla ka dia mankaleo , Samy kizitina be ambozizy , K
6 -SCIENCES

6 -SCIENCES

Ha! ha! ha! , 'zato resak'ankizy , Loham-poak'aty ka be ambozizy , Dia te-hidingina toa rambon'osy , Ny volony anefa tsy ampy borosy . Tsy fantatrareo mantsy aho ry zaza , Izaho no ra-"SCIENCES" tompon'ny laza , Ny fahalalàko dia tsy misy fetra , Hany ka haiko ny zava-drehetra . Ny zava-boahary ambonin'ny tany , Na vato ,na biby ,na ahitra izany ,
12- BAIBOLY

12- BAIBOLY

Ry boky malala , atsaharo ny ady F'izay tsy mifandefitra ,ho latsaka an-kady , Izato ianareo toa miseho ho mahatoky , Miady mafy ho mpanjakan'ny boky . Voafetra ihany ny zava-drehetra , Fa ny soratra masina no tsy manam-petra , BAIBOLY no anarany : manan-komena , Mpitsabo fanahy ,mamonjy ny tena . Ity no mpampianatra tena mahay , Ilay boky nodorana
9- TECHNIQUE

9- TECHNIQUE

O! ry 'reto a! , inona ary ity resaka atao , Fa toa resaka tsy mankaiza akory , Aleo ambarako anareo ny vaovao , Dia henoy tsara ,fa aza matory . Izaho "TECHNIQUE" no azo lazaina , Ho sangan'ny asa ,vokarin'ny saina , Matoa hita soritra ireo fandrosoana , Dia izaho no nitarika teo anoloana . Taloha dia fahita ny velaran-tany , 'Zay ngazana ,ratsy ,
8- MUSIQUE

8- MUSIQUE

Dray ! dray! dray! ,zato vavanareo , Mangina !,mangina ! atsaharo ny feo , Tsy misy "accord" !,tsy misy "mesure" , Minaonaona toa voan'ny "délires" . Clés samihafa ka dia afangaro , Madilo ny sofiko ka dia atasaharo , F'izaho mpampianatra hira henoina , Ny fahamboniako tsy azo hamboina . Izaho no ra-"Livres de musiques" , No tompon'ny laza tsy mi